Enoncé Malagasy série CD 2000

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2000

 

malagasy    –  Séries : C – D

 

N.B :  Isafidianana ny Laza adina I sy II.

 

LAZA ADINA  I :           Famakafakan-kevitra.

 

Hoy ny mpandinika sasany :

« Loharanon-karena ara-tsaina sy ara-panahy lehibe tokoa ange ny fahasamihafana raha entina hifamenoana e ! Tsy vahaolana ny fifanomezan-tsiny raha tsy ny hahalavorary ny fifandraisana no zava-kinendry aminy ».

 

Fanontaniana : Fakafakao.

 

 

LAZA ADINA  II :         Fanadihadiana lahatsoratra.

 

Ah ! ny farasisan’ny ditra sy ny filibana ! Ireny no manorisory ny androm-pahalehibeazana, na dia efa niofana teo amin’ny fibebahana aza ny fo.

Ny fanahy no mety ho fotsy toy ny oram-panala, ny nofo kosa nianjady loatra sy nihosina teo amin’ny halotoana dia mitahiry takaitra saro-tsitranina.

Olona nilalao Ingahy Rabery sy Ramatoa Razafy ; samy efa nihosinkosina ela teo amin’ny fahotana. Tonga ny androm-pahalehibeazana : eo vao mitaky ny ditra fahiny.

Notezain’aretina izy mivady . Tsy afaka nanao na inona na inona ny vola sy ny harena. Ny fitiavan’ireto olon-tia aza, tsy nahavita firy : mampionona fotsiny ny sainy rehefa manaikitra loatra ny aretina, izay dia izay ihany.

Efa voro-damba mohaka ny tenany, tsinjony izany, ka dia ny fanahiny no nohatanjahiny.

- Oadray ! hoy Rabery, izato androm-pahalehibeazantsika Razafy, takariva manjombona ! Mba naniry koa aho raha naniry hanana ilay mahatsaravahiny alohan’ny hilentehan’ny masoandrom-piainako ! Nefa …

- Nahoana moa no mampahory saina amin’izany ianao, rahavako ? hoy Ramatoa Razafy. Misy inona moa izay ity trano lay ity fotsiny ? … Efa voadio ny fontsika. Efa voafotsy ny halotoana. Aoka hiraraka ny hoditra ho lo. Ilay voa notsoahana teo amin’ny fahalavoana mbola tsy simba : indro ao ihany . Zarantsika manana azy.

- Eny tokoa, hoy  Rabery, zara aza fa tsy indray lo ny fanahy sy ny nofo !

Auguste Rajaonarivelo

(in « Bina »  tak.100)

Fanontaniana :  Hadihadio io lahatsoratra io.

 


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:48