Enoncé Malagasy série CD 1999

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 1999

 

malagasy    –  Série : C - D

 

N.B. : Isafidianana ny Laza adina I sy II.

 

LAZA ADINA I : FAMAKAFAKAN-KEVITRA

 

« Mahatalanjona ahy io eritreritrao io : Maso mihiratra amin’ny maizina, feo manakoako amin’ny mangina, hany mpitsara tsy mizaha tavan’olona ; fa tsy menamaso ary  tsy azo fitahina. Tahotry ny ratsy fanahy tsy azony idifiana ary fanantenan’ny tsara fanahy tsy azo alana aminy ».

 

Nalaina tao amin’ny boky « NY FILOZOFIA MALAGASY » Rev. P. RAHAJARIZAFY

Fakafakao

 

LAZA ADINA II : FANADIHADIANA LAHATSORATRA

 

Ny olona andrian’ny tsiny, izay rehetra atao  savihin-doza avokoa : ompiana omby, matin’ny tomboka ; ompiana kisoa, matin’ny jeho ; ompiana ondry, deronina ; ompiana akoho, matin’ny barika ; akotrika atody, mandamoka ; aketsa vary, manakofa ; ambolena saonjo, mamarara ; ambolena tsaramaso, tsy mandrotsaka ; ny ambolen-tsy maniry, ny asosoka maty maso. Ny tsiny tahaka ny tsipak’ombalahy ka mahavoa, mahafaty, tsy mahavoa, mahafanina.

Koa dia tandremana fatratra tokoa na ny teny na ny atao, sao dia ahazoan-tsiny, na dia amin’izay zavatra tsy tandrina sy tsy ampoizina akory aza. Eto anefa misy fanavahana izay heverinay fa tokony hatao : misy ny fahadisoana izay iniana, na tsy iniana aza, na tsy noeritreretina ho fahadisoana akory ka ahazoan-tsiny, tsy azo lavina io, na mety azo ifanazavana ; misy koa anefa, zava-mitranga amin’ny fiainana izay tsy misy ifandraisany velively amin’izay heverina ho vokatry ny tsiny. Ohatra : raha misy olona roa sendra mifamaly mafy an-katezerana, ka sendra mibolisatra an-dalana ary mianjera ka maratra ny iray, dia ataon’ilay hafa nifamaly taminy hoe : « narahin’ny tsiniko ka tsy namelany ! » dia hino tokoa ve ianao fa tena izany marimarina, sa fifanandrifian-javatra fotsiny na teraky ny lala-malama nodiavina ? Raha misy fatiantoka ny varotra atao, ny tsinin’olona ve no nahatonga izany sa ny tantana tsy nety ?

 

François RAKOTONAIVO, Ny riba malagasy  tak. 110

 

Fanontaniana

 

Hadihadio io lahatsoratra io.

 


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:48