Baccalauréat de l'enseignement
général
Madagascar
Session 2000
malagasy – Séries : C – D
N.B : Isafidianana
ny Laza adina I sy II.
LAZA ADINA I : Famakafakan-kevitra.
Hoy ny mpandinika sasany :
« Loharanon-karena
ara-tsaina sy ara-panahy lehibe tokoa ange ny fahasamihafana raha entina
hifamenoana e ! Tsy vahaolana ny fifanomezan-tsiny raha tsy ny
hahalavorary ny fifandraisana no zava-kinendry aminy ».
Fanontaniana : Fakafakao.
LAZA ADINA II : Fanadihadiana lahatsoratra.
Ah ! ny farasisan’ny
ditra sy ny filibana ! Ireny no manorisory ny androm-pahalehibeazana, na
dia efa niofana teo amin’ny fibebahana aza ny fo.
Ny fanahy no mety ho fotsy toy ny oram-panala, ny nofo kosa nianjady
loatra sy nihosina teo amin’ny halotoana dia mitahiry takaitra saro-tsitranina.
Olona nilalao Ingahy Rabery sy Ramatoa Razafy ; samy efa
nihosinkosina ela teo amin’ny fahotana. Tonga ny androm-pahalehibeazana :
eo vao mitaky ny ditra fahiny.
Notezain’aretina izy mivady . Tsy afaka nanao na inona na inona ny
vola sy ny harena. Ny fitiavan’ireto olon-tia aza, tsy nahavita firy :
mampionona fotsiny ny sainy rehefa manaikitra loatra ny aretina, izay dia izay
ihany.
Efa voro-damba mohaka ny tenany, tsinjony izany, ka dia ny fanahiny no
nohatanjahiny.
-
Oadray ! hoy Rabery, izato androm-pahalehibeazantsika Razafy, takariva
manjombona ! Mba naniry koa aho raha naniry hanana ilay mahatsaravahiny
alohan’ny hilentehan’ny masoandrom-piainako ! Nefa …
-
Nahoana moa no mampahory saina amin’izany ianao, rahavako ? hoy Ramatoa
Razafy. Misy inona moa izay ity trano lay ity fotsiny ? … Efa voadio ny
fontsika. Efa voafotsy ny halotoana. Aoka hiraraka ny hoditra ho lo. Ilay voa
notsoahana teo amin’ny fahalavoana mbola tsy simba : indro ao ihany .
Zarantsika manana azy.
- Eny
tokoa, hoy Rabery, zara aza fa tsy indray lo ny fanahy sy ny nofo !
Auguste Rajaonarivelo
(in « Bina »
tak.100)
Fanontaniana :
Hadihadio io lahatsoratra io.