Enoncé Histo - Géo série A 2000

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2000

 

histoire - geographie    –  Série : A

 

A /  Questions obligatoires                 (5 points)

1 - Les objectifs du plan Marshall .                                                                                                (2 points)

2 - Donnez et expliquez trois critères du sous-développement .                                                        (3 points)

 

B /  Sujets au choix                            (15 points)

N.B : Le candidat doit traiter UN Sujet sur les DEUX proposés.

1 – Dissertation.

Les relations entre les deux Super-Grands de 1976 à 1988 ont-elles conduit le monde vers une nouvelle guerre froide ou vers la paix ? Expliquez.

2 - Commentaire de texte.

La place de la bande orientale dans le peuplement des Etats-Unis.

Au point de vue de la diversité des ressources minières, la bande privilégiée est la bande occidentale du territoire ; au point de vue agricole, c’est la bande centrale. La population occupe massivement la bande orientale. Elle y a certes trouvé des conditions minières très favorables, des possibilités agricoles suffisantes qu’elle a exploitées avec intensité, mais le déséquilibre demeure.

Il est d’essence historique. Le peuplement des Etats-Unis ne doit pratiquement plus rien au vieux fonds de la population indienne, qui n’est plus représenté que par des reliques humaines considérées comme des curiosités ethnologiques, conservées dans des sortes de musées de l’humanité indienne que sont les réserves. Il est européen par ses origines, et fondamentalement atlantique par ses virtualités et ses activités. Sans avoir négligé les richesses de l’intérieur et de l’Ouest, sans résister aux sollicitations de l’expansion vers le Pacifique et au-delà du Pacifique, les Américains du Nord restent géographiquement liés à leurs origines…

Pierre George : Géographie de la population. ‘‘Que sais-je’’ n°1187, p 16

- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -

A / Fanontaniana tsy maintsy valiana            (isa 5)

1 - Ny tanjona tratrarina amin’ny fampiharana ny drafitra Marshall.                                                      (isa 2)

2 - Omeo sady hazavao toetra telo ahazoana milaza fa andalam-pandrosoana ny firenena iray.             (isa 3)

 

B / Laza Adina isafidianana               (isa 15)

N.B : Isafidianana ny Laza adina 1 sy 2.

1 - Famoaboasan-kevitra.

Nitondra an’izao tontolo izao ho amin’ny ady manara vaovao ve sa amin’ny fandriampahalemana kosa ny fifaindraisana nisy teo amin’i Etazonia sy ny Firaisana Sovietika nanomboka ny taona 1976 ka hatramin’ny 1988 ? Hazavao.

2 - Fanadihadiana tahirin-kevitra.

Ny anjara toeran’ny ilany atsinanana eo amin’ny fiorenam-ponenana any Etazonia.

Raha ny habetsahan’ny karazany eo amin’ny harena ankibon’ny tany no jerena dia azo lazaina fa ny ilany andrefan’i Etazonia no manana tombotsoa manokana, raha eo amin’ny lafiny fambolena indray dia ny faritra afovoany. Ny ilany atsinanana kosa no be mponina indrindra. Marina fa tsara tokoa ny fepetra nisy teo amin’ity toerana ity raha ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany no jerena, toy izany koa ny fahazoana mitrandraka ny asa fambolena, nefa na izany aza dia mitoetra foana ny tsy fifandanjana.

Antony ara-tantara no hanazavana an’izany. Azo lazaina fa tsy ny Indiana mponina tranainy indrindra amin’ity toerana ity no maro an’isa any, satria ny sisa tavela amin’izy ireo dia heverina ho toy ny zava-mahaliana eo amin’ny lafiny haifoko amam-pirazanana izay voatahiry amin’ny karazan-tranombakoka indiana momba ny maha olona, tsy inona tsy akory izany fa ireo tany natokana honenan’izy ireo. Azo lazaina fa eoropeana ny fiavian’ny mponina amerikana ary atlantika kosa eo amin’ny lafiny fihetsiketsehana sy eo amin’ny lafin-javatra azo tanterahana. Tsy nanao ho ambanin-javatra ny harena tao anatiny sy any andrefana izy, sady tsy naharitra ny fisintonana nitarika fitarana any amin’ny ilany Pasifika sy ny any ambadiky ny ranomasina Pasifika, nefa na izany aza dia voafatotra ara-jeografia amin’ny fiaviany ny Amerikana Tavaratra…                                                                    

Notsoahina avy amin’ny boky nosoratan’i Pierre George,

Géographie de la population ‘’Que sais-je’’ laharana 1187, p16.


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:42