Enoncé Histo - Géo série A 2008
Baccalauréat de l'enseignement général
Madagascar
Session 2008
HISTOIRE GEOGRAPHIE – Série : A
N.B. : Les sujets de Géographie et d’Histoire sont obligatoires
Sujet I Géographie - Dissertation
Le rayonnement des Etats-Unis dans le monde.
Analyser principalement :
- la domination économique, politique et militaire.
- la remise en cause de la suprématie des Etats-Unis.
Sujet II Histoire - Commentaire de document
La décolonisation et le Tiers-monde
Depuis la fin de la Seconde Guerre mondiale, les colonies des grandes puissances européennes ont accédé à l’indépendance. Mais ces libérations nationales ont été acquises à la suite de longues luttes politiques. La décolonisation a donné naissance à de jeunes libres nations en Asie et en Afrique qui constituent aujourd’hui ce que l’on appelle le Tiers-monde encore fragile sur le plan économique et politique.
BEP, Histoire-Géographie, p. 45.
A partir de ces indications :
- analyser les facteurs de la décolonisation.
- insister sur la naissance du Tiers-monde.
- expliquer cette fragilité du Tiers-monde.
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
N.B. Tsy maintsy atao ireo laza adina ROA atolotra ny mpiadina
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
Laza adina I Jeografia - Famoaboasan-kevitra
Ny fivelaran’i Etazonia eran-tany.
Hadihadio manokana :
- ny fanjakazakana ara-toekarena, politika ary tafika.
- ny tsy fanekena ny maha faratampony an’i Etazonia.
Laza adina II Tantara - Fanadihadiana tahirin-kevitra
Ny fanafoanana ny maha zanatany ary ny Andian-tany fahatelo
Hatramin’ny niafaran’ny Ady Lehibe faharoa, dia nahazo ny fahaleovantenany ireo zanatanin’ireo firenen-dehibe eropeanina. Kanefa izany fahafaham-pirenena izany dia azo taorian’ny ady ara-politika naharitra ela. Ny fanafoanana ny maha zanatany no niteraka ireo firenena tanora afaka tany Azia sy tany Afrika izay antsoina ankehitriny hoe Andian-tany fahatelo, izay mbola marefo eo amin’ny lafiny toekarena sy politika.
BEP, Histoire-Géographie, p. 45
Avy amin’ireo fanorotoroana ireo :
- Hadihadio ireo antony nahatonga ny fanafoanana ny maha zanatany.
- Tsindrio ny fahaterahan’ny Andian-tany fahatelo.
- Hazavao fa marefo ny Andian-tany fahatelo.