Enoncé Philosophie série CD 2007
Baccalauréat de l'enseignement général
Madagascar
Session 2007
philosophue – Séries : CD
N.B. : Le candidat doit traiter UN sujet sur les trois proposés.
SUJET I « La raison d’être de l’Etat est d’assurer notre liberté et non de la contraindre. »
Qu’en pensez-vous ?
SUJET II Philosopher nous détache-t-il de la réalité ?
SUJET III Faites l’analyse ordonnée du texte suivant en vue de dégager son intérêt philosophique.
« Notre époque est menacée par le positivisme et le scientisme. Elle est tentée de ne reconnaître comme valables que les connaissances de type scientifique et de rejeter toutes les autres formes de pensée dans le domaine de l’opinion aléatoire. Reconnaître à la science une grande valeur explicative et une grande efficacité pratique ne peut faire oublier qu’elle ne porte que sur des phénomènes. Les savants authentiques ne surestiment pas le caractère de la preuve expérimentale qui établit la réalité d’une relation, l’interprétation de cette relation pouvant être revue. Ils reconnaissent aussi le caractère hypothétique des grandes théories. Enfin, quelque garantie qu’apporte la preuve dans la connaissance, elle n’est pas l’unique objectif de la pensée. L’esprit n’a pas à être contraint mais éclairé, il peut rencontrer d’autres lumières que celle de la science. »
Isabelle MOURAL et Louis MILLET, in Traité de Philosophie
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
N.B. : Laza adina IRAY amin’ny telo atolotra no tsy maintsy ataon’ny mpiadina.
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
LAZA ADINA I « Ny antom-pisian’ny Fanjakana dia ny hiaro ny fahafahantsika fa tsy ny haneritery azy. » Ahoana ny hevitrao momba izany ?
LAZA ADINA II Mampihataka antsika amin’ny zava-misy ve ny fanaovana filôzôfia ?
LAZA ADINA II Fakafakao amin’ny fomba mirindra ity lahatsoratra ity ary asongadino ny lanjany ara-filôzôfia.
«Mandrahona izao vanim-potoana iainantsika izao ny pôzitivisma sy ny siantisma. Alaim-panahy isika tsy hanaiky ho marina afa tsy ireo fahalalana manana endrika siantifika ka hanilika ireo endrim-pisainana hafa rehetra ho any amin’ny sehatra misy ny hevitra tsy azo antoka sy miovaova. Ny fankatoavana ny siansa ho manana fanazavana mavesa-danja sy fahombiazana mafonja eo amin’ny fampiharana dia tsy tokony hanadinoana fa io fahalalana io dia tsy mifantoka afa tsy amin’ireo fisehoan-javatra ara-tsapa ihany. Ny tena manam-pahaizana marina dia tsy manambony loatra ny toetry ny porofo ara-panandramana izay manamarina ny fisian’ny fifandraisan-javatra iray, ny famakafakana izany fifandraisana izany moa dia mbola azo hiverenana hatrany. Ireo manam-pahaizana ireo dia manaiky ihany koa ny maha vinavinan-kevitra fotsiny ihany ireo teoria lehibe. Farany, na toy inona na toy inona antoka entin’ny porofo eo amin’ny fahalalana, tsy izany akory no hany tanjona kendren’ny saina. Tsy natao ho teriterena ny saina fa natao ho hazavaina, afaka mahita fahazavana hafa ankoatra izay entin’ny siansa izy.»
Isabelle MOURAL et Louis MILLET, in Traité de Philosophie