Enoncé Philosophie série A 1999

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 1999

 

philosophie    –  Série : A

 

N.B. : Le candidat doit traiter UN sujet sur les trois proposés.

- - - - - - - - -

Sujet I  :

Y a-t-il une place pour la philosophie dans une société qui accorde toute sa confiance à la raison scientifique et à la réussite technique ?

 

Sujet II  :

On dit souvent que : « La conscience morale n’est que l’intériorisation des valeurs dominantes de notre milieu social ».

Qu’en pensez-vous ?

 

Sujet III  :

Faites l’étude ordonnée du texte suivant en vue de dégager son intérêt philosophique.

« Dans la détresse de notre vie (...) la science n’a rien à nous dire. Les questions qu’elle exclut par principe sont précisément les questions les plus brûlantes, à notre époque malheureuse, pour une humanité abandonnée aux bouleversements du destin. Ce sont les questions qui portent sur le sens ou l’absence de sens de toute existence humaine. »

                                                                                                                                 HUSSERL.                                                                                                    

______________________________

 

Laza adina IRAY amin’ireo telo atolotra azy no ataon’ny mpiadina.

- - - - - - - - - - - - -

LAZA ADINA I :

Misy toerana ho an’ny filozofia ve ao amin’ny fiaraha-monina iray izay mametraka tanteraka ny fitokisany amin’ny fanazavàna ara-tsiansa sy ny fahombiazana ara-teknika ?

 

LAZA ADINA II :

Lazaina matetika fa : « Ny fahaizan’ny tsirairay mitsara izay ataony sy izay ataon’ny hafa dia tsy inona fa ny fahaizana mihazona ho toy ny an’ny tena ireo soatoavina misongadina ao amin’ny fiaraha-monina iainana ».

                                     Ahoana ny hevitrao ny amin’izany ?

 

LAZA ADINA III :

Fakafakao amin’ny fomba mirindra ny lahatsoratra mba hanasongadinana ny lanjany ara-pilozofia.

« Amin’ny fahoriana eo amin’ny fiainantsika (...) tsy manan-kambara amintsika ny siansa. Ny fanontaniana izay tsy valiany noho ny fitsipika fototra iorenany dia ireo fanontaniana mivaivay indrindra, amin’ny vanim-potoana fadiranovana misy antsika, ho an’ny olombelona izay navela ho irery eo anatrehan’ny fitsimbadimbadiky ny vintana. Dia ireo fanontaniana izay mifandray amin’izay mampisy heviny na tsy mampisy heviny ny fisian’ny olombelona. »

                                                                                                                      HUSSERL

 


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:44