Enoncé Philosophie série A 2000
Baccalauréat de l'enseignement général
Madagascar
Session 2000
philosophie – Série : A
N.B : Le candidat doit traiter UN sujet sur les TROIS proposés.
SUJET I
La réponse que la science apporte à la question « qu’est-ce que l’homme » est-elle satisfaisante ?
SUJET II
Est-il juste de penser que : « la philosophie n’est pas réservée à la minorité » ?
SUJET III
Dégagez l’intérêt philosophique de ce texte en procédant à son étude ordonnée :
« … Pour peu qu’on y réfléchisse, on reconnaîtra que … la conscience est une disposition acquise et que c’est avec très peu de fondement que tant de Moralistes l’ont regardée comme un sentiment inné, c’est-à-dire, comme une qualité inhérente à notre nature.
… Dans le plus grand nombre des hommes on ne trouve qu’une conscience erronée, c’est-à-dire qui juge d’une façon peu conforme à la nature des choses ou à la vérité : cela vient des opinions fausses que l’on s’est formées ou que l’on a reçues des autres, qui font attacher l’idée de bien à des actions que l’on trouverait très nuisibles si on les avait plus mûrement examinées. Beaucoup de gens font le mal et commettent même des crimes en sûreté de conscience, parce que leur conscience est faussée par des préjugés.
… Le crime lui-même s’ennoblit par le nombre et l’autorité des coupables… »
D’HOLBACH. L’Encyclopédie : Morale Universelle.
1ere partie, Section 1ere. Chapitre XIII.
_ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _ _
N.B : Laza adina IRAY amin’ireo TELO atolotra azy no ataon’ny mpiadina.
LAZA ADINA I
Mahafa-po ve ny valin-teny entin’ny siansa mamaly ny fanontaniana hoe : « Inona ny olombelona. » ?
LAZA ADINA II
Marina ve ny fiheverana fa : « Tsy natokana ho an’olom-bitsy ihany ny filôzôfia. » ?
LAZA ADINA III
Asongadino ny lanja ara-pilôzôfian’ity lahatsoratra ity rehefa vita ny famakafakana mirindra azy :
« … Raha mivonona ny misaina kely fotsiny isika dia hahatsikaritra fa … ny feon’ny fieritreretana dia fironana norantovina , ary antony tsy dia mari-pototra loatra no niheveran’ny Mpandalina ara-moraly maro azy io ho fihetseham-po voajanahary, izany hoe toy ny toetra efa raiki-tampisaka amin’ny maha-olona antsika.
… Ao amin’ny ankamaroan’ny olona dia tsy ahitana afa-tsy fieritreretana mivaona, izany hoe mitsara amin’ny fomba tsy dia mifanaraka loatra amin’ny maha-izy azy ny zavatra na ny fahamarinana : izany dia nateraky ny fiheveran-diso narafitry ny tena na koa noraisina tamin’olon-kafa ka mampifamatotra ny fiheverana ny tsara amin’ny fihetsika izay hita fa mety hampidi-doza raha nodinihina tamin’ny fomba matotra kokoa. Maro ny olona manao ratsy ary mahavita heloka bevava mihitsy amin’ny saina tony satria nodisoin’ny fitsarana an-tendrony ny feon’ny fieritreretany.
… Ny heloka bevava mihitsy no manjary haja noho ny hamaroan’ny olona sy ny fahefan’ny mpanao heloka. »
D’HOLBACH. L’Encyclopédie : Morale Universelle.
1ere partie, Section 1ere. Chapitre XIII.