Enoncé Philosophie série A 2001

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2001

 

philosophie    –  Série : A

 
N.B. : Le candidat doit traiter UN SUJET sur les TROIS proposés
 

SUJET  I

Léon BRUNSCHVICG disait :  « Il s’agit de comprendre l’affirmation de la liberté non pas comme d’une chose qui serait donnée mais comme d’une œuvre qui est à faire »   

Qu’en pensez-vous ?

 

SUJET  II

            Dans le domaine de la morale, puis-je devenir ce que j’ai décidé de paraître ?

 

SUJET  III

            Dégager l’intérêt philosophique de ce texte en procédant à son étude ordonnée :

            « Depuis que les hommes réfléchissent à la politique, ils oscillent entre deux interprétations diamétralement opposées. Pour les uns, la politique est essentiellement une lutte, un combat ; le pouvoir permettant aux individus et aux groupes qui le détiennent d’assurer leur domination sur la société et d’en tirer profit. Pour les autres, la politique est un effort pour faire régner l’ordre et la justice ; le pouvoir assurant l’intérêt général et le bien commun contre la pression des revendications particulières. Pour les premiers, la politique sert à maintenir les privilèges d’une minorité sur la majorité. Pour les seconds, elle est un moyen de réaliser l’intégration de tous les individus dans la communauté et de créer « la Cité Juste » dont parlait Aristote déjà ».

                                                                       Maurice DUVERGER. in Introduction à la Politique.

 

 

 


N.B. : Laza adina IRAY amin’ireo TELO atolotra azy no ataon’ny mpiadina.

LAZA ADINA  I

            Hoy i Léon BRUNSCHVIG : « Ny tokony handraisana ny tena dikan’ny fahafahana dia tsy toy ny hoe zavatra atolotra fotsiny fa toy ny asa hotanterahina ». Ahoana ny hevitrao momba izany ?

 

LAZA ADINA  II

            Eo amin’ny sehatry ny moraly, afaka ny hiseho araka izay efa fanapahan-kevitra noraisiko fa hisehoana ve aho ?

           

LAZA ADINA  III

            Asongadino ny lanja ara-pilôzôfian’ity lahatsoratra ity rehefa vita ny famakafakana mirindra azy :

            « Hatramin’izay nieritreretan’ny olombelona ny amin’ny politika dia nihazohazo eo anelanelan’ny fijery roa mifanipaka tanteraka izy. Ho an’ny sasany, ny politika dia voafetra ihany ho tolona, ady ; ny fahefana amin’izany dia ahafahan’ny tsirairay na ny antokon’olona izay mihazona azy manamafy orina ny fanjakazakany amin’ny fiaraha-monina sy maka tombontsoa avy amin’izany. Ho an’ny hafa kosa, ny politika dia ezaka mba hampanjakana ny filaminana sy ny fahamarinana ; ny fahefana amin’izany dia natao hiaro ny tombontsoan’ny rehetra sy ny fananana iombonana eo anatrehan’ny faneriteren’ireo fitakiana manokan’ny tsirairay. Ho an’iretsy voalohany, ny politika dia ampiasaina hitazonana ny tombontsoan’ny vitsy an’isa. Ho an’ireto faharoa kosa indray, ny politika dia tsy inona fa fitaovana iray enti-manatanteraka ny fampidirana ny olon-drehetra ao anatin’ny fiombonana sy enti-manorina koa ilay « Vohitra Marina » izay efa nambaran’i Aristote rahateo ».

Maurice DUVERGER. in Introduction à la Politique.


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:44