Enoncé Philosophie série A 2004

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2004

 

philosophie    –  Série : A

 

N.B. : Le candidat doit traiter UN sujet sur les TROIS proposés .

 

SUJET I :     Peut- on dire que la science fait surgir des problèmes philosophiques ?

 

SUJET II :    Parlant de la liberté et de ce que doit être sa valeur, Nietzsche affirme un jour : « La valeur d’une chose réside parfois non dans ce qu’on gagne en l’obtenant, mais dans ce qu’on paye pour l’acquérir,  - dans ce qu’elle coûte ».

Qu’en pensez-vous ?

 

SUJET III :    Commentaire de texte

 

Faites l’analyse ordonnée du texte suivant en vue de dégager son intérêt philosophique.

 

« Les problèmes de mathématiques ou de physique sont beaucoup moins familiers à la grande masse des hommes que les problèmes philosophiques qui ne sont au fond, étrangers à aucun. Partout il existe une philosophie courante caractéristique de tel ou tel groupe social, classe ou profession, comme il existe une politique courante. Le même homme qui éprouve de l’aversion envers la philosophie et qui méprise les philosophes, a sa philosophie privée. S’il n’en était ainsi de l’homme d’Etat, du révolutionnaire, du savant spécialiste, de l’ingénieur et du technicien, ils ne tiendraient pas le philosophe pour inutile.

Que l’insécurité soit la condition ordinaire de la philosophie et du philosophe, c’est ce que l’expérience oblige à constater. Non seulement le philosophe ne remplit aucune « commande sociale », mais même il met sa dignité à s’élever au-dessus des devoirs que la société prescrit. La philosophie n’a pas une destination sociale, elle est faite pour la personne. Tandis que la religion et la science, par nature si différentes l’une de l’autre, et parfois si hostiles l’une à l’autre, sont toutes deux socialement protégées, qu’elles ont un rôle social, que derrière elles se tiennent des communautés toujours prêtes à courir à leur secours, la philosophie est désarmée, seule.

Il ne se trouve personne pour prendre la défense du philosophe » .

Nicolas BERDIAEV, Cinq méditations sur l’existence. Trad. Vildélot. Aubier 1936 .pp. 27- 28

--------------------------------------------------------------------------

N B : Laza adina IRAY  amin’ny TELO  atolotra no ataon’ny mpiadina .

LAZA ADINA I :        Azo lazaina ve fa mitarika olana ara-pilôzôfia ny siansa ?

        

LAZA ADINA II :       Nilaza i Nietzsche indray andro raha niresaka momba ny fahafahana sy ny tokony ho lanjany : “Tsy ao anatin’ny zavatra azo rehefa mahazo azy ny lanjan’ny zavatra iray no mitoetra indraindray fa ao anatin’ny zavatra aloa mba ahazoan’azy,  - ao anatin’ny vidiny”.

Ahoana ny hevitrao momba izany ?

 

LAZA ADINA III :               Famakafakana lahatsoratra

 

Fakafakao amin’ny fomba mirindra ity lahatsoratra ity mba hisongadinan’ny lanjany ara-pilôzôfia.

 

“ Tsy nahazatra kokoa ny sarambaben’ny olona ny olana ara-matematika na ara-fizika, noho ny olana ara-pilôzôfia izay tsy maha-vahiny mihitsy na iza na iza, raha halalinina. Toy ny fisian’ny pôlitika iainana andavan’andro dia misy hatraiza hatraiza koa ny filôzôfia iainana andavan’andro izay mampiavaka vondrom-piaraha-monina toy izao na toy izatsy, sokajin’olona ity na sokajin’asa iry. Manana ny filôzôfia azy irery ny olona iray izay sady mahatsiaro fankahalana ny filôzôfia sy manebaka ny filôzôfa. Raha tsy toy izany ny mpitondra fanjakana, ny revôlisiônera, ny manam-pahaizana manokana ny injeniera sy ny teknisiana, dia tsy noheverin’izy ireo ho tsy ilaina ny filôzôfa.

Tokony ho ny fandriana andriran’antsy no fombam-piainana mahazatra hoan’ny filôzôfia sy filôzôfa, izany no didian’ny traikefa hohamarinina. Fa tsy vitan’ny hoe tsy maha tanteraka ny “zavatra takian’ny fiaraha-monina” na dia iray fotsiny aza izy, fa mbola mametraka ny toeram-boninahiny hiakatra ambonin’ny adidy izay baikon’ny fiaraha-monina. Ny filôzôfia dia tsy manana anjara raharaha voatokana ara-tsosialy, natao ho anolon-tokana izy. Ny finoana sy ny siansa anefa na dia samy hafa ary matetika mifankahala mihitsy aza, dia samy voaaro ara-piaraha-monina, ary ao andamosin’izy ireo no mijoro ireo vondron’olona vonona lalandava hihazakazaka hamonjy azy, ny filôzôfia kosa dia tsy manam-piadiana, irery izy.

Tsy misy olona na dia iray aza mba handray ny fiarovana ny filôzôfa.”

Nicolas BERDIAEV, Cinq méditations sur l’existence. Trad. Vildélot. Aubier 1936 .pp. 27- 28

 


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:44