Enoncé Philosophie série A 2005

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2005

 

philosophie    –  Série : A

 

N.B. : Le candidat doit traiter UN sujet sur les trois proposés.

 

SUJET - I

Toute vérité est-elle démontrable ?

 

SUJET - II

« C’est pour avoir une vie conforme à la nature humaine que l’homme obéit librement aux règles morales ».

Comment comprenez-vous cette affirmation de Levinas ?

 

SUJET - III

Faites l’analyse ordonnée du texte suivant en vue de dégager son intérêt philosophique.

 

«  Dire que l’Etat est un pouvoir et qu’il est un pouvoir de contraindre, c’est la même chose.

Je ne parle pas d’un Etat méchant, d’un Etat totalitaire, je parle de l’Etat, de ce qui fait que l’Etat est Etat, à travers des régimes et des formes différentes et même opposées. Tout ce que l’Etat ajoute en violence illégitime ne fait qu’aggraver le problème. Il nous suffit que l’Etat réputé le plus juste, le plus démocratique, le plus libéral, se révèle comme la synthèse de la légitimité et de la violence, c’est à dire comme un pouvoir moral d’exiger et un pouvoir physique de contraindre. »

                                                   Paul RICŒUR, in Histoire et Vérité

- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -

Fanamarihana : Tsy maintsy misafidy IRAY amin’ny laza adina telo atolotra ny mpiadina.

 

LAZA ADINA - I

Azo porofoina avokoa ve ny marina rehetra ?

 

LAZA ADINA - II

« Ny mba hananany fiainana mifanaraka amin’ny toetra voajanahary maha olona no ankatoavan’ny olona an-kalalahana ny fitsipika ara môraly ».

Ahoana no fahazoanao io fanambaran’i Levinas io ?

 

LAZA ADINA - III

Fakafakao amin’ny fomba mirindra ity ampahan-dahatsoratra ity ary asongadino amin’izany ny lanjany ara-pilôzôfia.

 

« Mitovy ihany ny filazana fa fahefana ny Fanjakana sy ny hoe fahefana mangeja izy.

Tsy Fanjakana masiaka, Fanjakana manao jadona no resahiko eto, fa ny Fanjakana, amin’ny maha Fanjakana ny Fanjakana, amin’ny alalan’ireo fitondram-panjakana sy ny endri-pitantanana samy hafa na mifanohitra mihitsy aza. Manampy trotraka ny olana fotsiny ihany izay mety ho fampiasan-kery tsy ara-drariny anampin’ny Fanjakana izany. Ampy hampiharihary amintsika ny firavonan’ny ara-drariny sy ny fangejana ny Fanjakana malaza ho mpandala ny ara-drariny indrindra, ho mpandala ny demôkrasia indrindra, ho mpandala ny fahalalahana indrindra, izany hoe, toy ny fahefana ara- môraly mitaky sy ny fahefana fizika manery. »

                                                   Paul RICŒUR, in Histoire et Vérité


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:44