Enoncé Philosophie série A 2007

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2007

 

philosophie    –  Série : A

 

N.B. :   Le candidat doit traiter UN sujet sur les trois proposés.

 

 

Sujet I :          « Il vaut mieux pencher vers le doute que vers l’assurance ».

Que pensez-vous de cette affirmation de Montaigne ?

 

Sujet II :         Peut-on se fier totalement à la science ?

 

Sujet III :       Faites l’analyse ordonnée du texte suivant en vue de dégager son intérêt philosophique.

            «  L’homme est de par sa nature un animal fait pour la société civile. Aussi quand même n’aurait-on pas besoin les uns des autres, n’en désirerait-on pas de vivre ensemble. A la vérité, l’intérêt commun nous rassemble aussi, chacun y trouvant le moyen de mieux vivre. Voilà donc notre fin principale, commune à tous et à chacun en particulier. On se rassemble ne fût-ce que pour mettre sa vie en sûreté. La vie même est une sorte de devoir pour ceux à qui la nature l’a départie, et quand elle n’est pas trop excédée de misère, c’est un motif suffisant pour rester en société.

            …Mais ce n’est  pas seulement pour vivre ensemble, c’est pour bien vivre ensemble qu’on s’est mis en Etat. Sans quoi, la société comprendrait les esclaves et même les autres animaux. Or, cela n’est pas. De tels êtres ne prennent aucune part au bonheur public, ni ne vivent à leur volonté. »  

 

                                                                                                          ARISTOTE, La politique

- - - - - - - -  - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -

            NB : Laza adina IRAY amin’ny TELO atolotra no tsy maintsy ataon’ny mpiadina.

- - - - - - - -  - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -

Laza adina I :             “ Aleo mirona mankany amin’ny ahiahy toy izay mankany amin’ny fitokisan-tena”

                                   Ahoana ny hevitrao momba ity fiheveran’i Montaigne ity ?

 

Laza adina II :           Azo itokiana tanteraka ve ny siansa ?

 

Laza adina III :          Fakafakao amin’ny fomba mirindra ity lahatsoratra ity ary asongadino ny lanjany ara-pilôzôfia.

              “ Araka ny natiorany dia biby natao hiaina ao anatin’ny fiaraha-monina ny olombelona. Koa na dia tsy nilaina aza ny fisian’ny hafa, dia efa notsiriritina ny hiara-miaina. Raha ny marina, ny tombontsoa iombonana ihany koa no mampitambatra antsika, samy mahita ny fomba iainany tsaratsara kokoa ao ny tsirairay. Izay izany no tanjontsika voalohany, iraisan’ny rehetra sy ho an’ny tsirairay manokana. Mitambatra na dia ho fiarovana ny aina fotsiny aza isika. Ny fiainana aza dia efa karazana adidy mihitsy ho an’ireo izay nitsinjaran’ny natiora azy, koa rehefa tsy dia ianjadian’ny fahoriana be loatra izy, dia efa antony ampy izay mba hijanonana ao amin’ny fiaraha-monina.

            ... Na dia izany aza, tsy ny hiara-miaina fotsiny ihany akory, fa ny hiara-miaina ampaha-mendrehana no nivondronana ho Fanjakana. Raha tsy izany no izy, dia ireo andevo ary angamba koa ireo biby no handrafitra ny fiaraha-monina. Kanefa, tsy izany no izy. Ny voaary toy ireo dia tsy mandray anjara velively amin’ny fahasambarana iombonana, na koa tsy miaina araka ny safidiny.”

 

                                                                                                                      ARISTOTE, La politique


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:44