Enoncé Philosophie série A 2008
Baccalauréat de l'enseignement général
Madagascar
Session 2008
philosophie – Série : A
N.B. : Le candidat doit traiter UN sujet sur les trois proposés.
- - - - - - - - - - - - -
Sujet I : Est-on responsable de ce que l’on est ?
Sujet II : Edgar Morin dit : « La science progresse comme connaissance, mais les conséquences peuvent en être atroces, mortelles. »
Qu’en pensez-vous ?
Sujet III : Faites l’analyse ordonnée du texte suivant en vue de dégager son intérêt philosophique
« Ce n’est pas pour tenir l’homme par la contrainte et faire qu’il appartienne à un autre, que l’Etat est institué, au contraire c’est pour libérer l’individu de la crainte, pour qu’il vive autant que possible en sécurité, c'est-à-dire conserve aussi bien qu’il se pourra, sans dommage pour autrui, son droit naturel d’exister et d’agir. Non, je le répète, la fin de l’Etat n’est pas de faire passer les hommes de la condition d’êtres raisonnables à celle des bêtes brutes ou d’automates, mais au contraire, il est institué pour que leur âme et leur corps s’acquittent de toutes leurs fonctions. »
SPINOZA
in Traité théologico-politique
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
N.B. Laza adina IRAY amin’ireo telo atolotra no tsy maintsy ataon’ny mpiadina.
- - - - - - - - - - - - - - - - - -
Laza adina I : Tompon’andraikitra amin’ny maha-isika antsika ve isika ?
Laza adina II : Hoy Edgar Morin : « Mivoatra ny siansa amin’ny maha-fahalalana azy, fa ny fiantraikany kosa dia mety hamoa-doza, mety mahafaty. »
Ahoana ny hevitrao momba izany ?
Laza adina III : Fakafakao amin’ny fomba mirindra ity lahatsoratra ity ary asongadino ny lanjany ara-pilozofia.
« Tsy ny fifehezana ny olona amin’ny alalan’ny faneriterena ary tsy ny hahatonga azy ho fananan’ny hafa akory, no ijoroan’ny Fanjakana, fa ny hanafaka azy kosa amin’ny tahotra mba hiainany am-pilaminana araka izay azo atao, izany hoe : mba hitazonany araka izay tratra, ka tsy miteraka fahavoazana ho an’ny hafa, ny zony voa-janahary hiaina sy hiasa. Tsia, mbola averiko indray, fa ny zava-kendren’ny Fanjakana dia tsy hamadika ny olombelona izay eo amin’ny toeran’ny zava-manana aina mahay mandanjalanja ho anisan’ny biby masiaka na tsy misaina, fa mifanohitra amin’izany, najoro izy mba hahafahan’ny fanahy sy ny vatan’olombelona manefa ny andraikiny rehetra. »
SPINOZA
in Traité théologico-politique