Enoncé Malagasy série CD 2001

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2001

 

malagasy    –  Série : A

 

N.B. : Isafidianana ny Laza Adina I sy II.

 

LAZA ADINA  I : FAMAKAFAKAN-KEVITRA.

 

Hoy ny mpandinika iray :

« Sady fitaratry ny zava-misy no azo amolavolana azy koa ny literatiora ».

 

Fakafakao.

 

LAZA ADINA  II : FANADIHADIANA LAHATSORATRA.

 

Lahatsoratra :

………………

      - Atao ahoana re, ry Tsiry a ! Ny fon’ny mpanam-bola tsy mba mitempotempo fiantrana.

      - Ka tsy izay fiantrany anie no ilaiko fa ny tokony ho ahy ! Tsy mangataka aminy aho fa mitaky ny anjarako.

      - Ka ny anjaran’ny mahantra anie dia izay atolotry ny mpanana azy ihany e !

      - Dia inona no Fahamarinana amin’izany ?

- An’Andriamanitra ny Fahamarinana, fa an’ny vola ny rariny eto an-tany. Mampalahelo izany saingy araka ny hitako, dia izay no zava-misy. Ny tompon’ny fahefana eto an-tany dia ny firenena manan-karena, ny tambatr’orinasa manan-karena, ny fianakaviana manan-karena, ny olona manan-karena. Ary io fahefana io no ajorony ho Rariny. Ny « rariny » kosa indray no ifotoran’ny « mariny ». Ary ny « mariny » no ataony hoe : Marina. Ny ankoatra izay, tsy izy ! na raha « izy », tsy misy lanjany akory !…

…………………………..

      Dia vita ny famotorana teny Anosy. Tsy misy olona azo notanana tamin’ny fitondrana volamena antsokosoko ity afa-tsy izaho irery, ary milaza ny tatitra fa efa niaiky izany aho.

      Ny fiarovan-tenako, maivana ! Tsy misy porofo !

      - Aiditra eny am-ponja ianao hiandry ny fitsarana anao ! hoy ilay mpitsara mpanao famotorana.

      Tsy niaro tena intsony aho ; atao inona moa izany !… Efa tsy marina ny mariko. Efa sandoka ny fahamarinako. Naleoko nangina…

        

                                                                           I.P. ANDRIAMANGATIANA

                                                                           Vakivakim-piainana

 

Fanontaniana :

 

                   Hadihadio ny lahatsoratra.


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:48