Enoncé Malagasy série CD 2002

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2002

 

malagasy    –  Séries : C - D

 

N.B : Isafidianana ny Laza adina I sy II

 

LAZA ADINA  I :             FAMAKAFAKAN-KEVITRA.

 

Hoy ity mpandinika iray  :

« Raha tsara ny atao dia ny tany sy ny lanitra mitahy, ary ny zavaboahary mitso-drano avokoa ; fa rehefa tsy mety kosa ny atao, izay ren’ny sofina toa mandatsa avokoa, ary izay jeren’ny maso manozona daholo. Koa samy handanjalanja ny ataony anie ka hitandrina ny hoenti-miaina».

 

Fakafakao.

 

LAZA ADINA  II :           FANADIHADIANA  LAHATSORATRA.

 

Ny fahaizana amam-pahalalana dia fananana, harena ao an-tsaina, fa ny fahendrena kosa dia toetra soa enti-miaina amin’ny fampiasana ireo harena sy fananana ireo na kely na be. Mety ho be fahaizana sy ambony fahalalana ny olona, nefa kosa tsy ampy fahendrena, tsy mahay miaina.

Tokony hotsaroana lalina fa tsy fanangonam-pahalalana amam-pahaizana hotehirizim-potsiny tsy akory ny fianarana, fa fandranitan-tsaina hampivelatra sy hampitombo izay rehetra maha-olona, mba hahatonga ny fianantsika ho loharano miboiboika tsy mety ritra, mitombo hery eo am-pandehanana.

CHARLES RANAIVO

(Fiainana, n°33 , Mars 1932)

Hadihadio ny lahatsoratra.

 


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:48