Enoncé Malagasy série CD 2003

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2003

 

malagasy    –  Séries : C - D

 

N.B : - Tsy maintsy atao ny Laza adina I

- Isafidianana ny Laza adina II

 

LAZA ADINA  I : Tsy maintsy atao

 

FANONTANIANA

1/  Milazà toe-java-nisy ara-tantara nanamarika ny vanim-potoana fiforetana anaty teo amin’ny sehatry ny literatiora.

2/  Mitanisà ohabolana telo maneho fa mankamamy ny aina ny Malagasy.

 

 

LAZA ADINA  II : Isafidianana ny A sy B

 

A -       Famakafakan-kevitra

 

Hoy ity mpandinika iray :

‘‘Tsy lahatra akory ny fahantrana’’.

Fakafakao.

 

B -       Fanadihadiana lahatsoratra

 

. . . Heverintsika ho mari-pandrosoana ny tsy finoana intsony ny tsiny sy ny tody, kanefa marina ve fa tsy misy ireo zavatra natahoran’ny Ntaolo ireo ? Marina ve fa tsy azo hazavaina ny nahatonga ireo olona ihandronan’ny tsiny, ianjadian’ny voina ? . . .

. . . Ireo lazaina ho ‘‘voan’ny tsiny’’ sy ‘‘itodian’ny nataony’’ dia olona efa leo laza, mampiahiahy ny ambanilanitra sady heveriny ho fatritran’olona . . . tsy maintsy misy akony eo amin’ny asa aman-draharahan’ilay ‘‘voatsiny’’ izany fiheveran’ny mpiara-belona aminy izany. Ka rehefa ela ny ela, na ny fivelomany hitsipozipozy, ary dia ho tonga amin’izay ny fandatsana hoe : tsinin’izao sy izao.

E.D. ANDRIAMALALA, FANAGASIANA, tak 50-51

 

FANONTANIANA

Hadihadio io lahatsoratra io.


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:48