Enoncé Malagasy série CD 2007

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2007

malagasy    –  Séries : C D

 

N.B. :   - Tsy maintsy atao ny Laza adina I.

 - Isafidianana ny Laza adina II.

 

LAZA ADINA  I                   (Tsy maintsy atao)                 (isa 06)

 

Fanontaniana :

 

1.      Mitanisà asa soratra roa avy nosoratan’i Samuël RATANY sy Jasmina RATSIMISETA.       (isa 03)

2.      Milazà antony telo hanomezan-danja ny Razana.                                                               (isa 03)

 

LAZA ADINA  II                  (Isafidianana ny A sy B)         (isa 14)

 

A.      FAMAKAFAKAN-KEVITRA

 

Hoy RANDRIANJOANIMANANA Olivier : “ Tsy sahy mandray andraikitra feno eo amin’ny fiainana ny olona ankehitriny, hany ka miantehitra amin’ny kisendrasendra fotsiny ”.

in Singan-kevitry ny mpandinika, tak. 19

Fakafakao izany.

 

B.      FANADIHADIANA LAHATSORATRA

 

 … Nangarihan’Ingahy Aziz aho no toy ny nandrora tamin’ny tany izy. Niondrika aho. Tsapako fa maivan-danja aho raha oharina amin’ity mpampiasa ahy : manam-bola izy ! Naleoko nangina.

Dia vita ny famotorana teny Anosy. Tsy nisy olona azo notanana tamin’ity fitondrana volamena an-tsokosoko ity afa-tsy izaho irery; ary nilaza  ny tatitra fa efa niaiky izany aho. Ny fiarovan-tenako, maivana ! Tsy misy porofo !

Aiditra eny am-ponja ianao, hiandry ny fitsarana anao ! hoy ilay mpitsara mpanao famotorana.

Tsy niaro tena intsony aho. Atao inona moa izany ? Ho antso an-doha riana ? Efa namadika ahy izay efa nitokiako. Efa tsy marina ny mariko. Efa sandoka ny fahamarinako. Naleoko nangina. Rariny raha disoina aho. Efa nanaiky ho tsikalakalan’olona tsinona !

Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA

In Vakivakim-piainana, tak. 72-73

Fanontaniana :

Hadihadio io lahatsoratra io.


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:48