Enoncé Malagasy série CD 2008

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2008

 

malagasy    –  Séries : CD

 

N.B. :   - Tsy maintsy atao ny laza adina I.

      - Isafidianana ny laza adina II.

 

LAZA ADINA  I            Tsy maintsy atao                       (isa 6)

 

Fanontaniana

 

1 – Manomeza tara-kevitra telo hita ao amin’ny boky vakivakim-piainana.

 

2 – Inona no heverin’ny Malagasy ho fiantraikan’ny fahazoan-tsiny ? (valiny roa)

 

 

LAZA ADINA  II        Isafidianana ny A sy B

 

A – Famakafakan-kevitra

 

            Hoy ity mpandinika iray : “Sady arofanina no fanaingam-pivoarana ny finoana ny tody”.

 

Fakafakao izany

 

           

B – Fanadihadiana lahatsoratra

 

            Tsy maintsy ovana ny fomba fijery, fomba fanao, ary ny fomba fiasa izay hitondrana any amin’ny lalan’ny fahombiazana. Amin’ny maha-mponina antsika, tsy maintsy raisintsika an-tanana ny fandresena ny tahotra sy ny loza amin’ny fanatrehantsika izao fotoan’ny fanatontoloana izao. Tsy maintsy afaka manararaotra ireo tombontsoa maro dia maro eran’izao tontolo izao isika. Mitaky fiovana ny fandrosoana. Marina fa betsaka ihany koa ny zavatra saro-bidy sy mila arovana eo amin’ny kolontsaintsika, kanefa misy lafiny maromaro amin’ny fomban-drazantsika sy ny finoantsika no tsy maintsy hovana na foanana. Ny “haitarika”1 na eo anivon’ny firenena manontolo, na eo anivon’ny toerana iray manokana dia manamora izay fizorana amin’izany fiovana izany, amin’ny alalan’ny fihainoana, ny fifanakalozan-kevitra, ny fandrisihana ary ny fianarana.

 

                                                                                             MADAGASIKARA AM-PERINASA

                                                                                                          2007 – 2012  Tak. 19

(1)    Haitarika  :  leadership

 

Hadihadio io lahatsoratra io.

 

Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:48