Enoncé Malagasy série CD 2009

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2009

 

MALAGASY    –  Séries : CD

 

N.B. :  - Tsy maintsy atao ny laza adina I.

      - Isafidianana ny laza adina II.

 

LAZA ADINA  I  :          Tsy maintsy atao                       (isa 6)

 

Fanontaniana

1 – Manomeza ohabolana na fomba fitenenana iray avy momba ny marina, ny vintana ary ny tsiny.                                                                                                                           (Isa 3)

 

2 – Indreto misy lohatenina boky. Lazao avy ny anaran’ny mpanoratra azy :                      (Isa 3)

Ø                       Mitaraina ny Tany

Ø                       Sikajin’i Dadabe

Ø                       Ny Fanagasiana

 

LAZA ADINA  II :       Isafidianana ny A sy B                                                                (Isa 14)

 

A – FAMAKAFAKAN-KEVITRA

 

         Hoy ity mpandinika iray : “Ny fahalalana miara-dalana amin’ny fahendrena no antoky ny fampandrosoana ny fiaraha-monina”

Fakafakao izany fiheverana izany.

 

B – FANADIHADIANA LAHATSORATRA

 

         …Fantatry ny Ntaolo fa samy mahatsiaro tena ho olona daholo ny tsirairay isam-batan’olona ary dia sarotiny mafy amin’izany izy. Fa tsy misy na iray aza faly raha atao hoe “biby”. Ary dia io no anaovan’ny Ntaolo (…) hoe : “Raha te ho olona ianao, dia aoka ho tsara fanahy amin’ny namanao ary hitandrina tsara ny fiaraha-monina fa “ny fanahy no maha olona”. Koa raha tsara fanahy ny olona dia antonona azy ny antsoina hoe : “olona” ary dia samy manaiky izany ny mpiara-monina. Fa raha tsy izany kosa dia antsoin’ny olona hoe “biby iny fa tsy olona”. Ary dia tsy zakan’ny olona ny atao izany.

         Noho ireo antony rehetra ireo dia samy miezaka ny isam-batan’olona ao amin’ny fokonolona malagasy mba hanatsara hatrany ny fiaraha-monina. Ka dia nahay niara-monina izy. Ary dia izany fahaizana miara-monina izany indray no hatsangana amin’izao fokonolona vaovao izao.    

FETY MICHEL,

In Nahoana no avondrona ho fokonolona isika ?,  Tak. 13.

 

Fanontaniana : Hadihadio io lahatsoratra io.

 

Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:48