Enoncé Malagasy série CD 2010

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2010

 

MALAGASY    –  Séries : CD

 

N.B. :   - Tsy maintsy atao ny laza adina I.

      - Isafidianana ny laza adina II.

 

LAZA ADINA  I  :          Tsy maintsy atao                       (isa 6)

 

Fanontaniana

1 – Manomeza ohabolana telo mikasika ny “marina” ka sintony avy amin’izany ireo toetrany.      (isa 3)

2 – Inona no nilàna ny literatiora tamin’ny vanim-potoanan’ny literatiora am-bava?

(Valin-teny telo)                                                                                                                  (isa 3)

 

LAZA ADINA  II :       Isafidianana ny A sy B                (isa 14)

 

A – FAMAKAFAKAN-KEVITRA

 

            Hoy Randrianjoanimanana: “Ny tsy fahaizan’ny olona iray mitsimbina ny ainy dia miteraka fahavoazana ho an’ny tenany sy ny mpiara-belona aminy ary ny firenena manontolo mihitsy aza”.

 

Fakafakao.

 

B – FANADIHADIANA LAHATSORATRA

 

            Ny antony mampiseho ny tsiny eo amin’ny fiainana: vava manozona, ananan-tsiny; tanana mangalatra, ananan-tsiny; fitondrana tsy marina ka mifanohitra amin’ny navelan’ny Ntaolo, ananan-tsiny (…). Tsy ny heloka lehibe ihany no ananan-tsiny, fa hatramin’ny hadisoana kely dia mampanan-tsiny avokoa. Ohatra: toetra mampamoafady teo amin’ny Ntaolo taloha izany hiaraka hilahatra handihy tahaka ny dihy “bal” ankehitriny, ka noheverina fa mahafaty vorona. Dikany, mahafolaka an-dantony fa manao fomba mamoafady. Ohatra iray hafa: mpitondra fanjakana manao teniko fe lehibe, ka manitsaka ny ambany fa manararaotra ny fahefana ananany, hanasaziana ny ambany raha misy tsangan-kevitra kely mifandiso amin’ny azy.

            Koa hoy ny filazany azy tamin’izany: “ny tsiny tsy mifidy ambony sy ambany fa tahaka ny fahafatesana, ka izay miringiringy no lavony, izay mioty manta no leony”. Koa na dia alàn’ny vava aza ny tsiny, ka esorin’ny lela ny fondro, kanefa ny fitondrantena tsy mandeha amin’ny fahamarinana, dia toy ny bokalahy mievina, ka afa-drofy anio fa mbola hivindina rahampitso.

            Ka ny fombam-panajana no nolalain’ny Ntaolo, dia noho ny fahatahorana ny tsiny. Aiza anefa izany ankehitriny?

RAKOTO Paul.

Tsileondriaka, lah.6, Oktobre 1972

Hadihadio io lahatsoratra io.

 


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:48