Enoncé Malagasy série CD 2011

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2011

 

MALAGASY    –  Séries : CD

 

LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao.                   (isa 6)

 

  Fanontaniana:

   1°/  Farito ny atao hoe: literatiora. Ary manomeza ohatra roa fantatrao.                    (isa 3)

   2°/ Manomeza ohabolana na oha-pitenenana telo (03) manaporofo fa tena nino 

         an’Andriamanitra ny Ntaolo Malagasy.                                                              (isa 3)

 

 

LAZA ADINA II: Isafidianana ny A sy B.         (isa 14)

 

A-    FAMAKAFAKAN-KEVITRA

   Hoy ity mpandinika iray: “Tolotra ny anjara taloha, ankehitriny kosa dia noho ny ezaka”.

     Fakafakao.

 

B-    FANADIHADIANA LAHATSORATRA

         Ny fahalalan’ny razana ny ”tody” dia efa nampitàny fahendrena toy izao:

       “Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra fa ny atao no mahasoa na maharatsy”.

         Tandremo ny atao, fa “ny soa atao levenam-bola,  fa ny ratsy atao loza mihantona”.

         Vokatry ny ataon’olombelona no mahatonga izao loza be sy fahoriana mameno ny fiainan’olombelona eto an-tany amin’izao fotoana izao. Todian’ny nataon’ny olombelona ny olombelona.

         Raha izany rehetra izany no dinihina sy fakafakaina tsara dia hita fa ny fanafodin’izany tsara indrindra dia ny manomana ny fampiasana ny lalàn’ny tody dieny ankehitriny; aoka hiara-mamafy eto an-tany, dieny ankehitriny ny mahasoa sy ny tsara, mba hijinjan’ny taranaka mifandimby rehetra ny tsara sy ny mahasoa.

                                                                              RAKOTONIRAINY Joseph

Nalaina tao amin’ny fahendrena malagasy.Takila 70

   Hadihadio io lahatsoratra io.

 

 


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:48