Enoncé Malagasy série A 1999

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 1999

 

malagasy    –  Série : A

 

N.B. Isafidianana ny Laza adina A sy B.

- - - - - - - -

 

1.-     Laza adina A :     FAMAKAFAKAN-KEVITRA.

 

         - Hoy ity mpandinika iray.

 « Ny talenta miampy fandalinana no maha-kanto ny asa. Ny fientanana anaty fenoin’ny fikarohana fehezin’ny lalàna no miteraka aina ao amin’ny soratra ».

 

         Fakafakao.

 

2.-     Laza adina B :     FANADIAHADIANA LAHATSORATRA.

 

–  Izany no izy, anaka, hoy Ingahy Rabezara manohy ny teniny, efa anjaranao i Velo ka zakao.

–  Anjarako hoe ka zakaina ? hoy i Soary entim-po namaly an-drainy. Fa inona moa no antsoinao hoe anjara, ry Dada ? Ny didy jadona sy ny fanerenareo sy i Neny ahy hanambady ny tsy sitraky ny foko ve no anjara ?

–  Tsia, anaka,  hoy rainy namaly an-janany. Tsy avy aminay mivady velively izao fa andeha atao hoe... avy amin’Andriamanitra. Henoinao tsara anie : firifiry izay ny tovolahy teto nangata-bady anao nefa tsy nisy tanteraka.

–  Satria tsy nisy tiako, hoy i Soary nitsatsaingoka.

–  Satria tsy mbola anjaranao, na mety misy anton-javatra hafa koa tsy mahatanteraka azy.

–  Inona ?

–  Mety ho nifanoto vintana taminao daholo izy ireny ka ny lahatry ny Avo mihitsy no nandrava azy. Raha nanadihady mangingina ny momba an’i Velo anefa izahay mivady dia hitanay fa tena mifambomba tsara ny vintanareo.

–  Fa, hono, ho’ aho, ry Dada, hoy i Soary mihantsy an-drainy, tsy heverinao ve fa mariky ny fahalemen’ny olombelona ny fampidirana ity anjara, lahatra ary vintana ity rehefa tsapany fa tsy mahita vahaolana izy hamaliany izay mifanandrina aminy.

 

                                             R.R.A. - Eritreritra tak. 56

 

Fanontaniana : Hadihadio io lahatsoratra io.

 

 


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:47