Enoncé Malagasy série A 2000

 

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2000

 

malagasy    –  Série : A

 

Isafidianana ny Laza Adina I sy II

Laza adina I  :              Famakafakan-KEVITRA

Hoy i Charles RANAIVO ao amin’ny Gazety Fiainana Lah 64, Avril 1934

« Sambatra ny olona izay mbola mahay midera, mankasitraka, sy tia ny namany izay soa sy ambony, fa mbola velona sy manan-kery ary mitombo ao aminy ny tsirin’ny fahasoavana sy ny fahamboniana ».

Fakafakao sy tsikerao izany teniny izany.

 

Laza adina II :    FANADIHADIANA TONONKALO.

HANORATRA ?

Hanoratra indray hoe ? Hanoratra ahoana ?

Ny vita hatrizay aza tsisy mpamaky

Fa tahaka ny resaka atao amin’ny moana

Toa entan-tsy lafo tsy nisy mpitaky

- Fa ny ranomainty efa ritra hatrizay

Moa va tsy riakan’ireo ranonorana ?

Ny taratasy voasoratro indray

Toa fako miavovona tiana hodorana …

Tsia fa hanoratra ihany ny tenako

Raha mbola misy ny tokony hambara

Hanoratra ihany aho fa sao hanenenako

Raha toa ka mivily ny lalan-tantara

Hanoratra ihany aho ho fanantenan’

ireo very hevitra mila ho vizana

Hilaza fa ho avy ny fahazavan’

ny andro marainan’izay nikirizana

Hanoratra ihany aho ho fampaherezana

Ireo izay mitolona sady voasedra

Ho mari-piraisana, ho mandatehezana

Hitsoka ilay afony hiredareda.

Hanoratra ihany aho sao mba ireny

No mety ho jiron’ireo tranomaizina

Misy sakaizako tsy afa-miteny

Nefa tsy kivy na ambanan-kofaizina

Hanoratra ihany aho, hanoratra foana

Ho an’ny mpitondra an’ity firenena

Hanitsy ny diany raha misy mivaona

Amin’ny lalan-kizorana nifanekena                        RADO,

Z0, tak. 139. 140.  (30.07.1983)

Fanontaniana :      Hadihadio io tononkalo io. 


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:47