Enoncé Malagasy série A 2001
Baccalauréat de l'enseignement général
Madagascar
Session 2001
malagasy – Série : A
N.B. : Isafidianana ny Laza Adina I sy II.
LAZA ADINA I : FAMAKAFAKAN-KEVITRA.
Hoy ny mpandinika iray :
« Sady fitaratry ny zava-misy no azo amolavolana azy koa ny literatiora ».
Fakafakao.
LAZA ADINA II : FANADIHADIANA LAHATSORATRA.
Lahatsoratra :
………………
- Atao ahoana re, ry Tsiry a ! Ny fon’ny mpanam-bola tsy mba mitempotempo fiantrana.
- Ka tsy izay fiantrany anie no ilaiko fa ny tokony ho ahy ! Tsy mangataka aminy aho fa mitaky ny anjarako.
- Ka ny anjaran’ny mahantra anie dia izay atolotry ny mpanana azy ihany e !
- Dia inona no Fahamarinana amin’izany ?
- An’Andriamanitra ny Fahamarinana, fa an’ny vola ny rariny eto an-tany. Mampalahelo izany saingy araka ny hitako, dia izay no zava-misy. Ny tompon’ny fahefana eto an-tany dia ny firenena manan-karena, ny tambatr’orinasa manan-karena, ny fianakaviana manan-karena, ny olona manan-karena. Ary io fahefana io no ajorony ho Rariny. Ny « rariny » kosa indray no ifotoran’ny « mariny ». Ary ny « mariny » no ataony hoe : Marina. Ny ankoatra izay, tsy izy ! na raha « izy », tsy misy lanjany akory !…
…………………………..
Dia vita ny famotorana teny Anosy. Tsy misy olona azo notanana tamin’ny fitondrana volamena antsokosoko ity afa-tsy izaho irery, ary milaza ny tatitra fa efa niaiky izany aho.
Ny fiarovan-tenako, maivana ! Tsy misy porofo !
- Aiditra eny am-ponja ianao hiandry ny fitsarana anao ! hoy ilay mpitsara mpanao famotorana.
Tsy niaro tena intsony aho ; atao inona moa izany !… Efa tsy marina ny mariko. Efa sandoka ny fahamarinako. Naleoko nangina…
I.P. ANDRIAMANGATIANA
Vakivakim-piainana
Fanontaniana :
Hadihadio ny lahatsoratra.