Enoncé Malagasy série A 2002

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2002

 

malagasy    –  Série : A

 

N.B. : Isafidianana ny laza adina I sy II.

 

 

 

LAZA ADINA  I :           FAMAKAFAKAN-KEVITRA.

 

            Hoy ity mpandinika iray :

« Mitarika ny olona hahay mitondra tena ny fananam-panahy, ary mampirindra ny fiainam-piaraha-monina ihany koa ».

 

Fakafakao.

 

 

LAZA ADINA  II :          FANADIHADIANA LAHATSORATRA.

 

                                               Ny soratra ?

 

Talenta manjopiaka anaty rindra noforonina

zanaky ny misy sy ny fiaraha-monina.

 

Ny marina sy tsapa nadikan’ny fanahy

nolaroina nofinofy sy ny hanitry ny tsiahy.

 

Fizaràn’ny mpanoratra ny ritsoka voaoty

apalesina ho kanto ianohan-drotsirotsy.

 

Salohin-dokon-teny maningotra ny fo

rakitry ny omaly, tantara ho avy koa.

                                                                                              ASINIONY, 13 Janoary 1997

                                                                                                   Akom-piainana, tak. 48

Hadihadio ny lahatsoratra.


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:47