Enoncé Malagasy série A 2003

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2003

 

malagasy    –  Série : A

 

N.B :   -Tsy maintsy atao ny laza adina I

           - Isafidianana ny laza adina II

 

LAZA ADINA I : TSY MAINTSY ATAO

 

FANONTANIANA

1)      Inona no mahakanto an’ity ampaha-tononkalo ity ?

Izay fantatra no tiana,

Izay tiana no kolokoloina,

Izay kolokoloina no arovana,

Izay arovana no asondrotra,

Izay asondrotra no asandratra,

Izay asandratra no azo ireharehana.

Esther RANDRIAMAMONJY

 

2)      Mitanisà ohabolana telo mikasika ny fiheveran’ny Ntaolo ny amin’ny toetoetry ny marina.

 

LAZA ADINA II : Isafidianana ny A sy B

 

A-    Famakafakan-kevitra

Hoy ity mpandinika iray :

«  Toa mila tsy hino ny tody intsony ny olona, satria toa botrabotra ny mpanao ratsy ary saozanina ny mpandala ny rariny ».

Fakafakao sy tsikerao.

 

B-    Fanadihadiana lahatsoratra

 

IANAO

Eny, ianao ilay poeta, ‘zay mandany ron-doha,

                        Te hamboraka ny miafina sy  milevina ao am-po

                        Ka mandrary soratsoratra hanana endrika milanto

                        Sy miezaka hampihaingo hanatratra irony kanto.

                       

Eny ianao ilay poeta, voahosom-potaka mazàna,

            Sy lazaina ho mpandrongony sy mpandika ireo lalàna

            Ka matetika mamikitra tsy ho lavo na hianjera

            Sy miezaka mirakitra an-takila ireo tsikera.

                                   ……………………………….

            Eny ianao ilay poeta, tia sy miaro Tanindrazana,

            Tsy mitsitsy ranomainty mivandravandra, mihidy vazana,

            Saro-piaro amin’ny tany, amin’ny teny sy ny zony :

            « Ny fahafahanao ry Taniny no fahafahana ao am-pony ».

                       

Eny ianao ilay poeta, mitsikera ny fisiana,

            Eny ianao ilay mpitondra vatsim-po ho fifaliana.

                                                                                                                                                                    

Hery RAKOTOJAONA, SANDRATRA, May 1990

 

FANONTANIANA

            Hadihadio io tononkalo io.

 


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:47