Enoncé Malagasy série A 2004

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2004

 

malagasy    –  Série : A

 

N.B. :  - Tsy maintsy atao ny laza adina I.

- Isafidianana ny laza adina II.

 

LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao                   (isa 6)

 

Fanontaniana :

1°)     Milazà lafin-javatra telo mampiseho ny maha-kanto ny tononkalo.                 (isa 3)

2°)     Inona no atao hoe anjara eo amin’ ny foto-pisainana malagasy ?                  (isa 1)

Inona avy ny karazany raha ny loharano nipoirany no jerena ?                     (isa 2)

 

LAZA ADINA II : Isafidianana ny A sy B (isa 14)

 

A - Famakafakan- kevitra

 

Misy fombam-pitenenana manao hoe : “Aza mimenomenona amin’ny anjara fa tsy olombelona no tompon’ny lahatra”.

 

Fakafakao sy tsikerao izany.

 

B – Fanadihadiana  lahatsoratra

 

“Ny mpanoratra dia mpanabe sady mpampianatra ; noho izany, tompon’andraikitra amin’ny fanolokoloana ny sain’ny malagasy izy. Koa mampahatsiahy azy ireo izahay hoe : Efa mba voafaritrao poeta, ianao mpanoratra ve ny sakafon-tsaina natolotrao ny malagasy ? Mba efa nojerenao akaiky ve ity toe-tsaina vangavanga iainan’ny malagasy ankehitriny ity ? Anananao andraikitra izany.

Zava-bahiny tsy antonona ny toe-batany no nasainao nateliny ka nankarary ny ambavafony, ianao anefa tsy mety hitrandraka zava-malagasy mampangetaheta azy.

Impiry ianao no mieritreritra fa ny tsy fahaizana mandanjalanja avy aminao no mety mamorika ny sain’ny malagasy izay efa miharatsy rahateo ?

Ianao poeta, ianao mpanoratra, làlana mankaiza no hisarihanao ny sain’ny malagasy ? Ianao no mpitari-dàlana ka tsy ny fanafoanana izay efa tsara akory ny fanagasiana, fa ny fanandratana izay maha malagasy eo amin’ny toerana avo…”

 

RANOE, Fifandraisana Sekoly FJKM n° 2 - Fihavanana

 

Hadihadio.

 


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:47