Enoncé Malagasy série A 2005
Baccalauréat de l'enseignement général
Madagascar
Session 2005
malagasy – Série : A
N.B : - Tsy maintsy atao ny Laza adina I
- Isafidianana ny Laza adina II
LAZA ADINA I : Tsy maintsy atao (isa 6)
Fanontaniana :
1°) Inona avy ireo tara-kevitra telo lehibe nisongadina tamin’ny asasoratra malagasy nandritra ny vanim-potoana Mitady ny Very. (isa 3)
2°) Milazà antony telo mahatonga ny Malagasy hitsimbina fatratra ny AINA. (isa 3)
LAZA ADINA II : Isafidianana ny Laza adina A sy B (isa 14)
A - Famakafakan-kevitra
Hoy ity mpandinika iray :
‘‘Tsy ilain’ny olona mahantra ny literatiora’’
Fakafakao sy tsikerao izany.
B - Fanadihadiana lahatsoratra
Ny Tontolo iainako ?
Tontolo tsy mirary izoranao mandalo
Tontolo malomaloka tsy fanta-dia ho aiza
Tontolo gaboraraka an-tanan’ny adala
Tontolo feno lainga maniboka ny marina
Tontolo feno fitaka manindry anao hivarina
Ny tontolo an-tsaina iainako ?
tontolon’ ny voary manento fofon’aina
tontolo feno sary mirindra amin’ny feo
tontolo iray milanto mihira fitoviana
tontolo iray milamina maneho firaisan-kina
Ny tontolo iainanao ?
dia ilay maneho ny misy
anaty tsy fisiana
dia ilay mikatsaka ny rindra
anaty habibiana
dia ilay misotro loza
hiteraka hafaliana
dia ilay manantena volana
namafa fahoriana
dia ilay miandrandra mana
nanaiso-pijaliana
Ny tontolo iainantsika ?
tontolo anofy angamba
kanefa ho tanteraka
raha toa isika miezaka
sy iray tarigetra
A.R.NI (16 Jona 1990) Tontolo isainana, tak. 113
Fanontaniana
Hadihadio io tononkalo io