Enoncé Malagasy série A 2007

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2007

 

malagasy    –  Série : A

 

N.B. :   - Tsy maintsy atao ny Laza adina I.

 - Isafidianana ny Laza adina II.

 

LAZA ADINA  I             (Tsy maintsy atao)                  (isa 06)

 

Fanontaniana :

 

1.    Tanisao ireo lohatenim-pizarana ao anatin’ny Boky “Vakivakim-piainana” nosoratan’i I.P. Andriamangatiana.                                                         (isa 03)

2.    Omeo ny endriky ny fananam-panahy telo araka ny foto-pisainana malagasy.                (isa 03)

 

LAZA ADINA  II           (Isafidianana ny A sy B)  (isa 14)

 

A.     FAMAKAFAKAN-KEVITRA

 

Hoy i Nalisoa RAVALITERA : “ Zanahary tapany ny mpanoratra ”.

Fakafakao sy tsikerao izany.

 

B.     FANADIHADIANA LAHATSORATRA

 

Foto-pisainan’ny Malagasy ny hoe : “Ny Fanahy no olona”, maneho izay heveriny ho fototry ny soa rehetra manendrika ny fiainan’ny mpiara-monina. “Ny Fanahy maha-olona” no tsy maintsy manentana antsika eo amin’ny hetsika amam-panao rehetra.

Tsy ho tafarina ny firenena raha tsy io “fanahy maha-olona” io no zary fototra iorenan’ny fiarahamonina indray. Raha voakolokolo tsara izy dia tsy ho kobaka am-bava intsony fa ho tanteraka an’asa ny fanajana ny fahamendrehan’ny olombelona tsy ankanavaka, ny fikatsahana ny soa iombonana, ny fananana konsiansy sy eritreritra eo am-panatanterahana ny adidy aman’andraikitra.

Hanarenana izany “fanahy maha-olona” izany eto amin’ny firenena, dia ny Malagasy tsy misy  avakavaka no tsy maintsy mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra, misikina herim-po sy fahasahiana hanarina ny toe-javatra.

 

In Gazety Lakroan’I Madagasikara, 03/04/88, tak. 04.

 

Fanontaniana : Hadihadio io lahatsoratra io.

 


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:47