Enoncé Malagasy série A 2008

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2008

 

malagasy    –  Série : A

 

                                                           N.B. :  - Tsy maintsy atao ny laza adina I.

                                                                      - Isafidianana A sy B -n’ny laza adina II.

 

Laza adina I : Tsy maintsy atao          (isa 6)

 

Fanontaniana :

 

        1°) Milazà tara-kevitra roa iombonan’ny asa soratr’i J.J RABEARIVELO sy Samüel RATANY.   (Isa 3)

 

        2°) Hazavao ao anatin’ny andalana tsy mihoatra ny dimy fa mpiantoka ny velona ny razana.                    (Isa3)

 

Laza adina II : Isafidianana  A sy B     (Isa 14)

 

A-       Famakafakan-kevitra

 

Hoy ny mpandinika iray : ”Tsy ilaina ny literatiora, satria ny onjan’ny nofinofy voiziny dia misavoana mandrendrika ny lakan’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina”.

 

       Fakafakao sy tsikerao izany.

 

B-      Fanadihadiana lahatsoratra

                    …

-          Hanao boto ? Lehilahy efa mba teny amin’ny oniversite ve dia hanao boton’olona ? Tsy rariny kosa izany !  

-          Fa angaha ny “maha-lehilahy lehibe teny amin’ny oniversite” ahy hahitako ny haniko isan’andro ? Ary inona intsony moa izay Rariny e ? Ny miasa an-trano no mba haiko sy mora mety hahitana asa. Izay no anjara tratrako.

-          Marina kanjo ny anao ! Tena mampalahelo isika tanora ankehitriny. Mba nianatra ihany. Mba nandanian’ireo ray aman-drenintsika fatotra amam-pondrana ihany, … nefa dia izao : tsy an’asa. Fahiny, rehefa miteny i Dada mialoha ny taom-pianarana vaovao dia hoe : ”Mianara tsara ! Tsy mba manan-kolovàna afa-tsy ny fahaizana ianareo. Mianara dia ho tafita !” Ankehitriny anefa, toa izay nianatra indray ity no rendrika (…)

-          Izany anie no ilazako hoe : Tsy hitako intsony izay Rariny ! Raha ny fikirizako fahiny ry Meja, tsy haniry izay ho mpiasa an-trano mihitsy aho ! Tsy izany velively no tanjoko (…) saingy resy e ! Ny hahitana izay sitrany ahay vaza-mihetsika sisa

                                                                          

                                                                           Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA,

                                                                           in : VAKIVAKIM-PIAIANANA, tak, 26-27

            Hadihadio io lahatsoratra io.

    

 


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:47