Enoncé Malagasy série A 2009

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2009

MALAGASY    –  Série : A

N.B. :            - Tsy maintsy atao ny laza adina I.

- Isafidianana A sy B.

 

Laza adina I : Tsy maintsy atao                    (isa 6)

Fanontaniana :

 

        1°) Milazà tara-kevitra telo fiventin’i Rado                                                                        (Isa 3)

     2°) Fenoy amin’ny alalan’ireto teny na andian-teny mitovy hevitra aminy ireto ny fafana* :    (Isa3)

 

Terem-panahy

 

Malemy fanahy

 

Maty fanahy

 

Lany fanahy

 

Mahitsy fanahy

 

Anti-panahy

 

-  marina -  gaga ;

-  tsara fo - an-tsitrapo ;

matotra -  mpanao ratsy

 

 

 

 

 

Laza adina II : Isafidianana  A sy B   (Isa 14)

 

A-      Famakafakan-kevitra

Hoy ny mpandinika iray : ”Ny aina no andevon-karena”.

Fakafakao sy tsikerao.

B-      Fanadihadiana lahatsoratra

NY ASA SORATRA SY NY FIARAHA-MONINA

Mifandray akaiky ny asa soratra sy ny fiaraha-monina. Azo heverina aza fa ny fiaraha-monina no akora voalohany enti-mandrafitra ny asa soratra maro.

Misy mampiasa ny soratra ho fanentanana ny fiaraha-monina, ho fanamboarana azy, ho fanondrotana sy fanazavana ny sainy ary ho fiarovana amin-kerimpo ny fiaraha-monina misy azy.

Ao kosa anefa ireo manao ny asa soratra ho fiadiana mahery vaika hanoherana tsy amim-pisalasalana ny fiaraha-monina misy azy izay mazàna dia voagejan’ny fahazaran-dratsy ; voafatotry ny fomba amam-panao efa lany andro ary voadonton’ny saina lomorina sy mamoafady.

Tadidintsika ny herim-po sy fahasahiana nasehon’ny mpanoratra (…) nanohitra tsy niato ny tsy fahaiza-mizaka ny tsy fitoviam-pinoana, ny fanaovana tsindry hazo lena, ny kely tsy mba mamindro, ny fanararaotam-pahefana, ny didiko fe lehibe, nitera-doza teo amin’ny fiaraha-monina misy azy.

Raha fintinina àry izay voalaza dia fitaratry ny fiaraha-monina ny asa soratra. Hita ao ny finoany, ny fanantenany, ny fitiavany, ny ahiahiny, ny firehan-tsainy, ny fahendreny, ny ambaratongam-pahaizana amam-pahalalana takatry ny sainy.

RAZAFIARIVONY Wilson,

in Valiha, 28 Aogositra 1999.

            FANONTANIANA : Hadihadio io lahatsoratra io.

 



*  Tabilao


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:47