Enoncé Malagasy série A 2010

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2010

 

MALAGASY    –  Série : A

 

N.B. :            - Tsy maintsy atao ny laza adina I.

         - Isafidianana ny laza adina II.

 

Laza adina I : Tsy maintsy atao                                            (Isa 6)

 

Fanontaniana :

 

1°) Manomeza tara-kevitra telo lehibe nisongadina tamin’ny vanim-potoana fiforetana anaty?       (Isa 3)

 

2°) Avy aiza no ipoiran’ny tsiny araka ny fiheverana Malagasy?                                                      (Isa3)

 

 

Laza adina II : Isafidianana  ny A sy B                                  (Isa 14)

 

A-     Famakafakan-kevitra

 

Hoy ity mpandinika iray : “Manampy ny tsirairay eo amin’ny fanefena ny maha-olona azy ny literatiora ”.

 

Fakafakao sy tsikerao.

 

 

B-     Fanadihadiana lahatsoratra

 

Ny hoe marina dia teny mora tononina fa saro-dazaina. Noho ny hamoran’ny fanononana azy dia re mandrakariva amin’ny olona rehetra izy, ary mampalahelo aza fa ny olona tsy te hanao ny marina no mazàna fatra-panonona ny hoe: marina, ho enti-mamadika ny marina.

            Tsy avy hatrany dia fantatra ny marina fa mbola ilàna ny vavolombelona mahatoky matetika. Mampalahelo anefa ny mahita ny sasany tsy mety milaza izay tena marina fa resin-tahotra, tsy sahy mijoro ho vavolombelona mahatoky fa miforitra ohatra ny olona tsy manana hazon-damosina. Ny olona izay milaza ny marina dia tahaka ny farihy madio mangarangarana ka hita ao ny taratry ny lanitra manga sy ny famirapiratry ny vato kilonjy fotsy.

 

Joseph RABETAFIKA,

Mpanolo-tsaina, Lah-4, oktobra 1904.

 

 Hadihadio io lahatsoratra io.


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:46