Enoncé Malagasy série A 2011

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2011

 

MALAGASY    –  Série : A

 

LAZA ADINA I: TSY MAINTSY ATAO                                            (isa 6)

1°/ Inona avy ireo zavatra entin’ny literatiora ho an’ny mpamaky?

2°/ Tanisao ireo adidin’ny velona amin’ny maty.

 

LAZA ADINA II:  ISAFIDIANANA NY A sy B                                          (isa 14)

 

A-   FAMAKAFAKAN-KEVITRA

Hoy ity mpandinika iray: “Tsy misy biby te-ho kary fa mahery ny laha-janahary”.

        Fakafakao sy tsikerao.

 

B-   FANADIHADIANA LAHATSORATRA

Samy hafa amin’ny teny na resaka ifanaovana amin’ny andavanandro ny asan’ny mpanoratra: voasokajy tokoa izy io satria natao hiantefa amin’ny olona hafa fa tsy mijanona ho fananan-tsamirery.

Mirakitra hafatra hatrany ny vokatry ny asan’ny mpanoratra. Mba hahafahan’ireny hafatra ireny hipaka marina any amin’ny mpamaky na mpihaino dia niniana nampihaingoana izy ireny ka izany no nampiavaka azy amin’ny fandre andavanandro.

(…) Tsy azo lavina noho izany fa ilain’ny isam-batan’olona ny literatiora (…) Mampianatra olona hahay hanasokajy ny tsara sy ny ratsy. Mandrisika azy hitrandraka sy hikajy ny soatoavina. Manefy ny toe-tsaina ho tia mamorona sy mikaroka ihany koa ny literatiora.

Lila RATSIFANDRIHAMANANA in Rary Tak 10-11

 

 

Hadihadio io lahatsoratra io


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:46