Enoncé Malagasy série CD 2004

Baccalauréat de l'enseignement général

Madagascar

Session 2004

 

malagasy  –  Séries : C D

 

N B :  - Tsy maintsy atao ny laza adina I.

- Isafidianana ny laza adina II.

 

Laza adina I : Tsy maintsy atao.

 

Fanontaniana

 

1-     Iza avy ireo mpanoratra nalaza tamin’ny fanentanana ny vahoaka tamin’ny fitadiavana ny very ?

 

2-     Manomeza ohabolana telo mikasika ny fanahy.

 

Laza adina II : Isafidianana ny A sy ny B.

 

A-    Famakafakan-kevitra

 

Hoy ny mpandinika iray : “Tsy mba lahatra ny fahantrana ; ady ny fiainana… Izay mahatakatra izany no handrombaka ny fandresena”.

Fakafakao izany.

 

B-     Fanadihadiana lahatsoratra

 

(…) Ary ity fihavanana ity koa anie no tena manimba ny fiainan’ny gasy ê ! Io no atao fialana amin’ny fahalain-kisahirana.

Tsy mahita izay hohanina, dia hivahiny any amin-dRahavana aloha ! Dia any, manao vahiny sari-monina, kamo be tenda any fotsiny, tsy mijery ny fahasahiranan’ny hafa. Fiainana efa mafy ity ka hitavana ny an’ny olona fotsiny ! Sarotra aminao ny fiainana ka no tamoraina ny an’ny hafa !

(…) Ary tsy hampanan-karena mihitsy ny gasy koa ity fitandroam-pihavanana lava ity ê ! Amiko, aleoko very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola. Ny havana, mora hita iny ! Vao be ny vola, vao manan-katolotra, tonga izy ! Ny manam-patsa be mpitia !… Fa raha vao tsy misy “Ra-vola,” hialany, handosirany, hodiany tsy fantatra ; amiko, “ny vola miteraka havana, fa ny havana mandany vola.”

Efa mazava tamiko ny fisainan’ny zaodahiko. Mbola nisalasala ihany anefa aho… Saingy nony nilaza tamiko manokana izy fa aleony, hono, miompy dinta na moka na hao, toy izay mahita ahy ao an-tranony, dia tapaka ny hevitro : handeha aho.

                                                                Iharilanto Patrick Andriamangatiana

                                                                   Vakivakim-piainana takila : 16-17

 

Hadihadio, araka ny hita taratra ato amin’ny lahatsoratra ny fahapotehan’ny toe-panahy mandala fihavanana teo amin’ny malagasy.


Modifié le: Friday 8 September 2017, 11:48